Leviticus 4:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona dia handoro azy ho fofona eo amin’ny alitara, eo ambonin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotany izay nataony dia havela ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia halàny daholo ny sabora toy ny fanalana ny saboran’ny zanak’ondry amin’ny sorom-pihavanana dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany noho ny ota nataony, dia ho voavela ny otany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra toy ny fanesorana azy amin’ny ondry atao sorom-pihavanana; dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo mba ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
Malagasy Bible 1865
Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona dia handoro azy ho fofona eo amin’ny alitara, eo ambonin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotany izay nataony dia havela ny helony.
malagasy