Leviticus 5:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha mbola tsy takatry ny ananany ihany koa ny domohina roa na ny voromailala roa dia hitondra ny fanatitra noho ny fahotany izy, koba tsara toto ampahafolon’ny efaha ho fanatitra fanadiovana; tsy hasiany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo manitra satria fanatitra fanadiovana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na ampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha tsy takatry ny fananan’ny olona indray ny domohina na voromahailala roa, dia koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, no hoentiny ho fanatitra fanalana ny ota; tsy handrarahany menaka sady tsy hasiany vovoka zava-manitra izany, satria fanatitra fanalana ny ota.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha mbola tsy takatry ny ananany ihany koa ny domohina roa na ny voromailala roa dia hitondra ny fanatitra noho ny fahotany izy, koba tsara toto ampahafolon’ny efaha* ho fanatitra fanadiovana; tsy hasiany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo manitra satria fanatitra fanadiovana.
malagasy
Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.