Leviticus 5:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoentiny eo amin’ny mpisorona io ka handraofan’ny mpisorona eran’ny tanana ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ary hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Fanatitra fanadiovana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitondra izany ho eo amin’ny mpisorona izy, ary ny mpisorona haka eran-tanana ila amin’izany ho fahatsiarovana, dia handoro azy hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh; sorona noho ny ota izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoentin’ilay olona izany koba izany ho eo amin’ny mpisorona ka handraofan’ny mpisorona eran-tanana ila mba ho fanati-pahatsiarovana; dia hodorany hanetona eo amin’ny alitara io fanati-pahatsiarovana io, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO: fanatitra fanalana ny ota izany.
Malagasy Bible 1865
Dia hitondra azy ho eo amin'ny mpisorona izy, ary handraofan'ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoentiny eo amin’ny mpisorona io ka handraofan’ny mpisorona eran’ny tanana ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ary hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Fanatitra fanadiovana izany.
malagasy