Leviticus 5:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotana izay nataony tamin’ny iray amin’ireo dia havela ny helony. Toy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ho an’ny mpisorona ny sisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany no hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho an’izany olona izany, noho ny ota nataony amin’ny iray amin’ireny zavatra ireny; dia ho voavela ny otany. Izay sisa dia ho an’ny mpisorona, toy ny amin’ny fanatitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana noho ny ota vitany momba ny anankiray amin’ireo lafin-javatra ireo, dia voavela ny otany. «Araka ny fanao amin’ny fanatitra vokatry ny tany no hataon’ny mpisorona amin’izany.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin'ny anankiray amin'ireo, dia havela ny helony; ary ho an'ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotana izay nataony tamin’ny iray amin’ireo dia havela ny helony. Toy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ho an’ny mpisorona ny sisa.
malagasy
Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin'ny anankiray amin'ireo, dia havela ny helony; ary ho an'ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.