Leviticus 5:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ireo zava-masin’NY TOMPO dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekela volafotsy no anombananao azy, araka ny sekela masina, ho fanati-panonerana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona manao ny tsy marina, ka manota tsy nahy ny amin’ny fanatitra masina fanao amin’i Iaveh, dia ondralahy iray tsy misy kilema avy amin’ny andian’ondry izay hotombananao sikla volafotsy araka ny sikla masina no hatolony amin’i Iaveh, hatao sorona fanonerana izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy olona manao fanazimbana ny zavatra voatokana ho an’ny TOMPO ka manota tsy nahy momba izany, dia hitondra sorom-panonerana amin’ny TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, tombanana sekela volafotsy vitsivitsy araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina: sorom-panonerana izany.
Malagasy Bible 1865
Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho fanati-panonerana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ireo zava-masin’NY TOMPO dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekela volafotsy no anombananao azy, araka ny sekela masina, ho fanati-panonerana.
malagasy