Leviticus 5:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Honerany izay nanotany ny amin’ny zava-masina, ary hampiany ampahadiminy ka hatolony ny mpisorona. Ary hanao fanavotana ho azy amin’ny ondrilahy atao fanati-panonerana ny mpisorona dia havela ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izay tokony ho anjaran’ny fitoerana masina ka notanany, dia haveriny mitongoa ny ampahadiminy, ka homeny ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy amin’ny ondralahy natolony ho sorona fanonerana; ka dia ho voavela ny otany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zavatra namonoany antoka ny Toeramasina dia honerany sady hampiany ny ampahadimin-tombany, ka homeny ny mpisorona. Ary rehefa voatolotry ny mpisorona ilay ondrilahy sorom-panonerana ka nataony tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
Malagasy Bible 1865
Ary izay efa nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Honerany izay nanotany ny amin’ny zava-masina, ary hampiany ampahadiminy ka hatolony ny mpisorona. Ary hanao fanavotana ho azy amin’ny ondrilahy atao fanati-panonerana ny mpisorona dia havela ny helony.
malagasy