Leviticus 5:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny iray amin’ny didin’NY TOMPO, nefa tsy fantany izany, dia meloka izy, ary mitondra ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona manota, fa nahavita tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, dia ho meloka izy sady hivesatra ny otany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy olona manota satria manao tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’ny TOMPO, dia manjary manan-tsiny izy sady itambesaran’ota.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny iray amin’ny didin’NY TOMPO, nefa tsy fantany izany, dia meloka izy, ary mitondra ny helony.
malagasy
Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,