Leviticus 5:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fanati-panonerana izany satria efa meloka tamin’NY TOMPO tokoa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sorona fanonerana izany; tena meloka teo anatrehan’i Iaveh izany olona izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sorom-panonerana izany, satria meloka tamin’ny TOMPO tokoa izy.»
Malagasy Bible 1865
dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin'i Jehovah tokoa izy. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany, na nahita izay zavatra very ka mandainga amin'izany sady mianian-tsy tò ny amin'izay mety ho fahotan'ny olona, satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin'ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany, na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany. Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fanati-panonerana izany satria efa meloka tamin’NY TOMPO tokoa izy.
malagasy
dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin'i Jehovah tokoa izy.