Leviticus 5:21 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’NY TOMPO fa mandainga amin’ny namany ny amin’izay zavatra nampitahirizina azy, na amin’ny zavatra notanany ho antoka, na amin’izay nalainy an-keriny, na nampahory ny namany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona manota, sy manao ny tsy marina amin’i Iaveh, fa mandainga amin’ny namana izy ny amin’ny zavatra napetraka taminy, na amin’ny zavatra natao eo an-tanany ho antoka, na amin’ny zavatra nangalariny, na amin’ny zavatra nalainy an-keriny tamin’ny namana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mety misy olona manota ka diso tamin’ny TOMPO satria mandainga amin’ny namany momba ny zavatra nampitahirizina azy, na zavatra nindraminy, na zavatra nangalariny, na zavatra nalainy an-keriny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’NY TOMPO fa mandainga amin’ny namany ny amin’izay zavatra nampitahirizina azy, na amin’ny zavatra notanany ho antoka, na amin’izay nalainy an-keriny, na nampahory ny namany,
malagasy
Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany,