Leviticus 5:24 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
na izay rehetra nanaovany fianianana mandainga. Hanonitra manontolo izany izy sady hanampy koa ny ampahadiminy, ary homeny ilay tompon-javatra amin’ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
na izay zavatra rehetra nanaovany fianianana tsy marina. Hamerina ny zavatra manontolo izy, no sady hanampy ampahadimin-tombany koa ambonin’izany; ary androtry ny hanaterany ny sorony fanonerana ihany no hanomezany izany an’izay tompon-javatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
na izay rehetra nanaovany fianianana tsy marina. Haveriny manontolo izany sady hampiany ny ampahadimin-tombany, ka homeny an’ilay tompon-javatra, vantany vao tsapany fa meloka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
na izay rehetra nanaovany fianianana mandainga. Hanonitra manontolo izany izy sady hanampy koa ny ampahadiminy, ary homeny ilay tompon-javatra amin’ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.
malagasy
na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.