Leviticus 5:25 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fanati-panonerana hoentiny ho an’NY TOMPO dia ondrilahy iray tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ny mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ondralahy iray tsy misy kilema, avy amin’ny andian’ondriny, izay hotombananao, no hoentiny eo amin’ny mpisorona, haterina ho an’i Iaveh, hatao sorona fanonerana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho sorom-panonerana amin’ny TOMPO, dia ondrilahy no hoentiny ho eo amin’ny mpisorona: ondrilahy tsy misy kilema, avy amin’ny andian’ondriny sady tombanana araka ny maha sorom-panonerana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fanati-panonerana hoentiny ho an’NY TOMPO dia ondrilahy iray tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ny mpisorona.
malagasy
Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona.Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.