Leviticus 5:26 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO dia havela ny helony na inona na inona fahadisoana vitany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy eo anatrehan’i Iaveh, dia ho voavela ny otany, na inona na inona ota nahadiso azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nataon’ny mpisorona teo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO kosa ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otan’ilay olona na inona na inona hadisoana vitany.»
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO dia havela ny helony na inona na inona fahadisoana vitany.
malagasy
Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.