Leviticus 5:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mianiana ka miteniteny foana amin’ny molotra, hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin’ny olona foana ka asiany fianianana, nefa hadinony izany, dia meloka amin’ny iray amin’ireo izy rehefa tsaroany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona latsa-bava, mianiana hanao soa na ratsy, na inona na inona voalazany amim-pianianana tsy voahevitra, nefa tsy nahafantatra izany izy, fa atỳ aoriana vao fantany, dia mahazo fahotana izy amin’ny iray amin’ireo zavatra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy olona manao vava latsaka mianiana hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona vava latsaka nombàny fianianana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka.
Malagasy Bible 1865
na misy mianiana ka miteniteny foana amin'ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin'ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mianiana ka miteniteny foana amin’ny molotra, hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin’ny olona foana ka asiany fianianana, nefa hadinony izany, dia meloka amin’ny iray amin’ireo izy rehefa tsaroany izany.
malagasy