Leviticus 5:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka hitondra ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO noho ny fahotany, dia ondrivavy na osivavy, ho fanatitra fanadiovana; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary hitondra ho an’i Iaveh ho fanonerana noho ny ota nataony, ny vavy iray amin’ny biby fiompy madinika, na ondry na osy, hatao sorona noho ny fahotany, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny otany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hitondra fanonerana amin’ny TOMPO izy noho ny ota vitany, dia ondrivavy na osivavy mba ho sorona fanalana ny ota; dia hataon’ny mpisorona amin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, noho ny ota vitany.
Malagasy Bible 1865
ary hitondra ny saziny ho an'i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka hitondra ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO noho ny fahotany, dia ondrivavy na osivavy, ho fanatitra fanadiovana; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotany.
malagasy