Leviticus 5:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha tsy takatry ny ananany izany dia hitondra domohina roa na voromailala roa ho an’NY TOMPO izy ho fanati-panonerany noho ny nanotany, koa ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray kosa dia hatao fanatitra dorana manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha tsy takatry ny fananan’ny olona kosa ny ondrivavy na osivavy iray, dia domohina roa na voromahailala roa no hoentiny amin’ny TOMPO ho fanonerana ny ota vitany ka ny anankiray ho sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an'i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha tsy takatry ny ananany izany dia hitondra domohina roa na voromailala roa ho an’NY TOMPO izy ho fanati-panonerany noho ny nanotany, koa ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray kosa dia hatao fanatitra dorana manontolo.
malagasy