Leviticus 5:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hitondra ireo ho eo amin’ny mpisorona izy ary ny mpisorona kosa dia hanatitra ny iray aloha, ho fanatitra fanadiovana, ka hotapahiny ny lohany nefa tsy hosarahiny amin’ny vatany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoentiny ireo ho eo amin’ny mpisorona izay hamono ny atao sorona noho ny ota aloha. Hofolahin’ny mpisorona tsy ataony tangarana eo akaikin’ny hatony, ny lohany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoentin’ilay olona ireo vorona ireo ho eo amin’ny mpisorona. Ka ny hatolotry ny mpisorona aloha dia ilay sorona fanalana ny ota: hofolahiny amin’ny hoho ny lohany, eo akaikin’ny hatony, saingy tsy hataony tangarana;
Malagasy Bible 1865
Dia hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany ho afaka amin'ny vozony, fa tsy hohenteriny izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hitondra ireo ho eo amin’ny mpisorona izy ary ny mpisorona kosa dia hanatitra ny iray aloha, ho fanatitra fanadiovana, ka hotapahiny ny lohany nefa tsy hosarahiny amin’ny vatany.
malagasy