Leviticus 6:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hasiana masirasira izany rehefa hendasina fa efa nomeko ho anjarany avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho Ahy. Zavatra tena masina izany, tahaka ny fanatitra fanadiovana sy tahaka ny fanati-panonerana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy handrahoina amin’ny lalivay izany. Izany no anjarany natokako ho azy, avy amin’ny fanatitra hodorana amin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, toy ny sorona noho ny ota sy ny sorona fanonerana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hasiana leviora no hanendasana azy; satria izany anjara omeko ny mpisorona izany, dia ambin’ilay fanatitra nolevonina tamin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota sy tahaka ny ambin’ny sorom-panonerana.
Malagasy Bible 1865
Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany; masina dia masina izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hasiana masirasira izany rehefa hendasina fa efa nomeko ho anjarany avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho Ahy. Zavatra tena masina izany, tahaka ny fanatitra fanadiovana sy tahaka ny fanati-panonerana.
malagasy