Leviticus 6:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lehilahy rehetra amin’ny zanak’i Arona no mahazo mihinana azy io. Ho anjara maharitra ho an’ny taranakareo fara aman-dimby avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany, ary ho masina izay rehetra mikasika azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny lahy rehetra amin’ny zanak’i Aarôna no hihinana an’izany. Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany, ny amin’ny fanatitra atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Ho masina izay rehetra mikasika izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny lehilahy rehetra taranak’i Aharôna ihany no mihinana izany: anjara raikitra ho azy hatrany hatrany izany ambin’ny fanatitra nolevonina tamin’ny afo ho an’ny TOMPO izany. Ny olon-kafa rehetra, izay mikasika izany mofo izany, dia hofaizin’ny fahamasinan’Andriamanitra.»
Malagasy Bible 1865
Ny lehilahy rehetra amin'ny zanak'i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; ho masina izay rehetra manendry izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lehilahy rehetra amin’ny zanak’i Arona no mahazo mihinana azy io. Ho anjara maharitra ho an’ny taranakareo fara aman-dimby avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany, ary ho masina izay rehetra mikasika azy.
malagasy