Leviticus 6:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no fanatitr’i Arona sy ireo zanany, hateriny ho an’NY TOMPO amin’izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ny efaha no hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry isanandro ka ny antsasany amin’ny maraina ary ny antsasany amin’ny hariva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no fanatitra hataon’i Aarôna sy ny zanany amin’i Iaveh, amin’ny andro handraisany ny fanosorana: lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah ho fanatitra tsy tapaka, antsasany maraina, antsasany hariva.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no fanatitra fanaon’i Aharôna sy ireo taranany amiko TOMPO, rehefa voahosotra ho mpisorona izy: koba lafarinina telo kilao isan’andro, ka ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
Malagasy Bible 1865
Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan'andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no fanatitr’i Arona sy ireo zanany, hateriny ho an’NY TOMPO amin’izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ny efaha* no hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry isanandro ka ny antsasany amin’ny maraina ary ny antsasany amin’ny hariva.
malagasy
Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan'andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.