Leviticus 6:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny lapoaly no hanaovana azy ka asiana diloilo; rehefa mifangaro tsara izy dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny lapoaly no handrahoana azy, ka hasiana diloilo; ary rehefa mendy izy, dia hoentinao ka haterinao voavakivaky, ho fanatitra ankasitrahin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haroana menaka izany koba izany, dia hendasina amin’ny lapoaly; ary rehefa voaendy izy, dia vakivakîna, vao atao fanatitra ho hanitra ankasitrahina ho Ahy Tompo.
Malagasy Bible 1865
Amin'ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Amin'ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.