Leviticus 6:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ilay mpisorona avy amin’ireo zanany izay voahosotra handimby azy no hanatanteraka izany. Lalàna maharitra izany ka hodorana ho fofona avokoa ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanao izany fanatitra izany koa izay mpisorona voahosotra ka handimby amin’ny taranany: lalàna tsy tapaka eo anatrehan’i Iaveh izany. Hisondro-ko etona avokoa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Rehefa misy anankiray amin’ny taranak’i Aharôna voahosotra ho mpisorombe handimby azy, dia hanao izany fanatitra izany koa izy. Anjara raikitra ho Ahy TOMPO izany ka hodorana hanetona avokoa:
Malagasy Bible 1865
Ary ilay mpisorona avy amin'ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an'i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ilay mpisorona avy amin’ireo zanany izay voahosotra handimby azy no hanatanteraka izany. Lalàna maharitra izany ka hodorana ho fofona avokoa ho an’NY TOMPO.
malagasy
Ary ilay mpisorona avy amin'ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an'i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;