Leviticus 6:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra fanadiovana: Eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana manontolo no hamonoana eo anatrehan’NY TOMPO ny fanatitra fanadiovana. Zavatra tena masina izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany, ka lazao hoe: Izao no lalàna momba ny sorona noho ny ota: eo amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona noho ny ota, eo anatrehan’i Iaveh; zava-masina dia masina izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba hamepetra an’i Aharôna sy ireo zanany lahy hoe: «Izao no lalàna momba ny sorona fanalana ny ota: «Eo amin’ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo, dia eo anoloan’ny Toeramasin ’ny TOMPO, no famonoana ny sorona fanalana ny ota. Zava-masina dia masina izany,
Malagasy Bible 1865
Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ota: Eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan'i Jehovah; ho masina dia masina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra fanadiovana: Eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana manontolo no hamonoana eo anatrehan’NY TOMPO ny fanatitra fanadiovana. Zavatra tena masina izany.
malagasy