Leviticus 6:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ilay mpisorona manao ny fanatitra fanadiovana no hihinana azy; eo amin’izay fitoerana masina no hihinanany azy, eo amin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay mpisorona hanolotra ny sorona noho ny ota no hihinana azy, ka ho eo amin’ny toerana masina, amin’ny kianjan’ny trano lay fihaonana no hihinanana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka ilay mpisorona manolotra azy ho fanalana ny ota no hihinana azy eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana;
Malagasy Bible 1865
ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy, dia eo amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ilay mpisorona manao ny fanatitra fanadiovana no hihinana azy; eo amin’izay fitoerana masina no hihinanany azy, eo amin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana.
malagasy
ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy, dia eo amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.