Leviticus 6:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandidia an’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna momba ny fanatitra dorana manontolo: Ny fanatitra dorana manontolo dia hatao eo amin’ny fatana eo an-tampon’ny alitara mandritra ny alina mandra-maraina ary ny afon’ny alitara dia hirehitra eo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Omeo an’i Aarôna sy ny zanany izao didy izao, lazao azy hoe: Izao no lalàna momba ny sorona dorana: Hirehitra mandritra ny alina, mandra-pahamaraina, eo am-patan’ny ôtely ny sorona dorana; ary velomina eo mandrakariva ny afon’ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba handidy an’i Aharôna sy ireo zanany hoe: «Izao no lalàna momba ny sorona dorana manontolo: «Ny sorona dorana manontolo dia hajanona eo am-patan’ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ka andrehetana afo tsy miato eo amin’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Mandidia an'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin'ny fatana eo an-tampon'ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon'ny alitara hirehitra eo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandidia an’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna momba ny fanatitra dorana manontolo: Ny fanatitra dorana manontolo dia hatao eo amin’ny fatana eo an-tampon’ny alitara mandritra ny alina mandra-maraina ary ny afon’ny alitara dia hirehitra eo.
malagasy