Leviticus 6:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ny fanatitra fanadiovana izay hakana ra hoentina ao amin’ny tranolay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ny fitoerana masina, dia tsy hohanina fa hodorana amin’ny afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hisy hohanina anefa ny sorona rehetra noho ny ota, izay hangalana ny rany hoentina ao an-trano lay fihaonana, hanaovam-panavotana ao amin’ny fitoerana masina, fa hodorana amin’ny afo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny sorona fanalana ny ota, izay angalan-dra hoentina ao amin’ny Tranolay fihaonana mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ao amin’ny Toeramasina, dia tsy hohanina ny henany fa hodorana amin’ny afo.
Malagasy Bible 1865
Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana amin'ny afo izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ny fanatitra fanadiovana izay hakana ra hoentina ao amin’ny tranolay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ny fitoerana masina, dia tsy hohanina fa hodorana amin’ny afo.
malagasy
Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana amin'ny afo izany.