Leviticus 6:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanaovan’ny mpisorona ny akanjony vita amin’ny lamba rongony, ary ny kalisaonina vita amin’ny lamba rongony dia hataony manolo-koditra; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny fanatitra dorana manontolo izay nolevonin’ny afo teo ambonin’ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Isa-maraina ny mpisorona, rehefa niakanjo ny tonîka rongony madinika, sy nanao ny kalisaona rongony madinika manolo-koditra azy, dia handraoka ny lavenona avy amin’ny afo nandorana ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtely, ka hametraka azy eo anilan’ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia hiakanjoan’ny mpisorona ny akanjony sy ny kalisaoniny samy vita amin’ny lamba rongony; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny sorona dorana levon’ny afo teo ambonin’ny alitara izy, ka hametraka azy eo anilan’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Any hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny fanatitra dorana izay nolevonin'ny afo teo ambonin'ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanaovan’ny mpisorona ny akanjony vita amin’ny lamba rongony, ary ny kalisaonina vita amin’ny lamba rongony dia hataony manolo-koditra; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny fanatitra dorana manontolo izay nolevonin’ny afo teo ambonin’ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ny alitara.
malagasy