Leviticus 6:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny afo eo ambonin’ny alitara dia hirehitra ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; halahany eo amboniny ny fanatitra dorana manontolo ka hodorany ho fofona eo amboniny ny jaboran’ny fanati-pihavanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hovelomina tsy havela ho faty ny afo eo ambonin’ny ôtely. Isa-maraina ny mpisorona no hampirehitra ny kitay hazo eo, dia handahatra ny sorona dorana eo amboniny, sy handoro ny saboran’ny sorom-pihavanana hanetona eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Harehitra tsy avela ho faty ny afo eo ambonin’ny alitara, fa hisy kitay hazo hatohoky ny mpisorona eo isa-maraina; dia halahany eo ambonin’ireo kitay ireo ny sorona dorana manontolo ary hodorany hanetona eo koa ny tavin-kenan’ny sorom-pihavanana.
Malagasy Bible 1865
Ary ny afo eo ambonin'ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny saboran'ny fanati-pihavanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny afo eo ambonin’ny alitara dia hirehitra ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; halahany eo amboniny ny fanatitra dorana manontolo ka hodorany ho fofona eo amboniny ny jaboran’ny fanati-pihavanana.
malagasy