Leviticus 6:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hakany eran’ny tanana ila ny koba tsara toto amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra rehetra miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, dia hodorany hanetroka eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hangalan’ny mpisorona eran-tanana ila ny lafarina tsara indrindra mbamin’ny diloilo ao aminy miaraka amin’ny emboka rehetra eo ambonin’ny fanatitra, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely izany ho hanitra ankasitrahina, ho fahatsiarovana an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hangalan’ny mpisorona anankiray eran-tanan’ila ilay koba lafarinina voararaka menaka mbamin’ny vovoka zava-manitra rehetra eo amboniny, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany mba ho hanitra ankasitrahin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hakany eran’ny tanana ila ny koba tsara toto amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra rehetra miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, dia hodorany hanetroka eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
malagasy