Leviticus 6:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay sisa amin’izany dia hohanin’i Arona sy ireo zanany; hataony tsy misy masirasira izany ary eo amin’ny fitoerana masina iray ao anatin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana no hihinanany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay sisa amin’ny fanatitra dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany; ka hohaniny tsy misy lalivay, eo amin’ny fitoerana masina, amin’ny kianjan’ny trano lay fihaonana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.
Malagasy Bible 1865
Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay sisa amin’izany dia hohanin’i Arona sy ireo zanany; hataony tsy misy masirasira izany ary eo amin’ny fitoerana masina iray ao anatin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana* no hihinanany azy.
malagasy
Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.