Leviticus 7:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy manolotra izany ho fanati-pisaorana dia izao no hatolony ho fanampiny: Mofo tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira voahosotra diloilo ary mofo atao amin’ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha fisaorana no hanaterana izany, dia izao no hatolotra miaraka amin’ny sorom-pisaorana: mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voararaka diloilo, ary lafarina nendasina ho mofomamy voadity tamin’ny diloilo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana mba ho fisaorana an’Andriamanitra, dia ireto zavatra ireto no hateriny ho fanampiny: mofo vaventy tsy misy leviora sady miharo menaka, mofo fisaka tsy misy leviora sady voahoso-menaka; ary mofo atao amin’ny koba lafarinina miharo menaka.
Malagasy Bible 1865
Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin'ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy manolotra izany ho fanati-pisaorana dia izao no hatolony ho fanampiny: Mofo tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira voahosotra diloilo ary mofo atao amin’ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.
malagasy