Leviticus 7:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny henan’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ny andro anaterana azy fa tsy hisy havela ho tra-maraina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro hanaterana azy ihany no hihinanana ny henan’ny sorom-pisaorana amin’ny sorom-pihavanana, fa tsy avela hisy tra-maraina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny henan’ny sorom-pihavanana atao ho fisaorana an’Andriamanitra dia hohanina amin’ny andro anaterana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny henan'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny henan’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ny andro anaterana azy fa tsy hisy havela ho tra-maraina.
malagasy
Ary ny henan'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.