Leviticus 7:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha fanalam-boady na fanatitra an-tsitrapo kosa no atolony dia amin’ny andro itondrany ny fanatiny no hihinanana azy ary hohanina ny ampitson’iny izay ambiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha sorona aterina ho fanalam-boady na ho fanatitra an-tsitrapo dia hohanina amin’ny andro hanaterana azy ny sorona, ary izay sisa tavela dia hohanina ny ampitso;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana fanalam- boady na an-tsitrapo, dia amin’ny andro anaterana azy no ihinanana ampahan’ny hena; izay ambiny kosa azo hanina ampitson’iny,
Malagasy Bible 1865
Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin'ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson'iny no hihinanana izay ambiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha fanalam-boady na fanatitra an-tsitrapo kosa no atolony dia amin’ny andro itondrany ny fanatiny no hihinanana azy ary hohanina ny ampitson’iny izay ambiny.
malagasy
Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin'ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson'iny no hihinanana izay ambiny.