Leviticus 7:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha toa ka ihinanana amin’ny andro fahatelo ny henan’ny fanati-pihavanana, na dia sombiny kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’izay manolotra azy izany fa maloto; ary ny olona izay mihinana amin’izany dia ho meloka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona mihinana amin’ny andro fahatelo ny hena avy amin’ny sorom-pihavanana nateriny, dia tsy hankasitrahina ny sorona nateriny, tsy ho isaina ho azy nanatitra, ho fahavetavetana izany; ary izay rehetra hihinana amin’izany dia hivesatra ny otany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tàhiny hihinanana amin’ny andro fahatelo izany henan’ny sorom-pihavanana izany, dia tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny mpanatitra azy; hoheverina ho tsinontsinona izany sorom-pihavanana izany, satria ny henany efa nanjary tsy azo ampiasaina amin’ny fombam-pivavahana intsony. Izay olona mihinana amin’izany dia itambesaran-keloka.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tahìny hihinanana amin'ny andro fahatelo ny henan'ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an'izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin'izany dia ho meloka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha toa ka ihinanana amin’ny andro fahatelo ny henan’ny fanati-pihavanana, na dia sombiny kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’izay manolotra azy izany fa maloto; ary ny olona izay mihinana amin’izany dia ho meloka.
malagasy