Leviticus 7:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana manontolo no hamonoana ny fanati-panonerana. Hafafy manodidina ny alitara ny ra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona fanonerana. Hararaka manodidina amin’ny ôtely ny rany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka eo amin’ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo no hamonoana ny sorom-panonerana; ary ny ra dia hatopiny manodidina amin’ny lafin’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Eo amin'izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana manontolo no hamonoana ny fanati-panonerana. Hafafy manodidina ny alitara ny ra.
malagasy
Eo amin'izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara.