Leviticus 7:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan’olona na biby maloto na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin’ny henan’ny fanati-pihavanana izay an’NY TOMPO, dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izay nikasi-java-maloto, na loton’olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, raha mihinana amin’ny henan’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izay nahakasika fahalotoana ara-pivavahana, na olona maloto na biby maloto na zavatra hafa maloto, kanefa mihinana amin’izany hena izany, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan'olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin'ny henan'ny fanati-pihavanana izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan’olona na biby maloto na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin’ny henan’ny fanati-pihavanana izay an’NY TOMPO, dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.
malagasy