Leviticus 7:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Azo ampiasaina amin’ny raharaha rehetra ihany ny jaboran’ny biby izay maty ho azy sy ny jaboran’izay noviraviraim-biby kanefa aza mihinana azy ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny saboram-biby maty ho azy na voaviravira, dia azo anaovan-javatra hafa ihany, fa tsy azonareo hanina velively.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tavin-kenan’ny biby maty ho azy na voaviraviram-bibidia kosa dia azo anaovan-javatra hafa ihany, saingy tsy azonareo hanina velively.
Malagasy Bible 1865
Ary ny saboran'ny biby izay maty ho azy sy ny saboran'izay noviraviraim-biby dila azo atao amin'ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Azo ampiasaina amin’ny raharaha rehetra ihany ny jaboran’ny biby izay maty ho azy sy ny jaboran’izay noviraviraim-biby kanefa aza mihinana azy ianareo.
malagasy
Ary ny saboran'ny biby izay maty ho azy sy ny saboran'izay noviraviraim-biby dila azo atao amin'ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.