Leviticus 7:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tanany ihany no hitondra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; ny jaborany mbamin’ny tratrany no hoentiny ka ny tratrany dia hataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitondra ao an-tanany izay tsy maintsy haterina atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh, izy, dia hitondra ny sabora mbamin’ny tratrany, ka ny tratrany hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tanany ihany no hitondra ny zavatra holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO, dia ny tavin-kenan’ilay biby mbamin’ny tratrany; ka io tratrany io dia hahevaheva eo anatrehan’ny TOMPO no fomba fanolotra azy.
Malagasy Bible 1865
Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany mbamin'ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tanany ihany no hitondra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; ny jaborany mbamin’ny tratrany no hoentiny ka ny tratrany dia hataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy
Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany mbamin'ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.