Leviticus 7:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo no anjaran’i Arona sy anjaran’ireo zanany avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, nanomboka tamin’ilay andro nanolorana azy ireo ho mpisorona ho an’NY TOMPO,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no raikitra ho anjaran’i Aarôna noho izy voahosotra, avy amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireny zavatra navahana avy amin’ny sorona nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO ireny no anjaran’i Aharôna sy ireo taranany amin’ny maha mpisorona azy, manomboka amin’ny andro nametrahana azy hanao ny fanompoana maha mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Izany no anjaran'i Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo no anjaran’i Arona sy anjaran’ireo zanany avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, nanomboka tamin’ilay andro nanolorana azy ireo ho mpisorona ho an’NY TOMPO,
malagasy
Izany no anjaran'i Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah,