Leviticus 7:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany no lalàna momba ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra fanadiovana sy ny fanati-panonerana, ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany sy izany no lalàna momba ny sorona dorana manontolo, ny fanatitra vokatry ny tany, ny sorona fanalana ny ota, ny sorom-panonerana, ny sorona fanokanana, ary ny sorom-pihavanana.
Malagasy Bible 1865
Izany no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany no lalàna momba ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra fanadiovana sy ny fanati-panonerana, ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
malagasy
Izany no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny andro izay nandidiany ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah, tany an-efitr'i Sinay.