Leviticus 8:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia novonoiny iny ary nalain’i Mosesy ny ra ka nohosorany tamin’ny fanondrony ireo tandroka manodidina ny alitara mba hanadiovany azy tamin’ny ota. Ny ra sisa kosa dia naidiny teo an-tongotry ny alitara izay nohamasininy tamin’ny fanaovana fanavotana ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namono azy i Môizy dia naka tamin’ny ra dia notentenany manodidina tamin’ny rantsan-tanany ny tandroky ny ôtely ary nanadio ny ôtely izy, naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra ary nanamasina azy izy, nanao ny fanonerana ao aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novonoin’i Mosesy io ary nangalany ny ra ka notentenany tamin’ny fanondro ny tandroky ny alitara mba ho fanadiovana ny alitara manontolo; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara: toy izany no nanokanan’i Mosesy ny alitara mba hahazoana manao fombam-pivavahana famelan-keloka eo amboniny.
Malagasy Bible 1865
Dia novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin'ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia novonoiny iny ary nalain’i Mosesy ny ra ka nohosorany tamin’ny fanondrony ireo tandroka* manodidina ny alitara mba hanadiovany azy tamin’ny ota. Ny ra sisa kosa dia naidiny teo an-tongotry ny alitara izay nohamasininy tamin’ny fanaovana fanavotana ho azy.
malagasy
Dia novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin'ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.