Leviticus 8:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalainy ny jaboran-tsinainy rehetra sy ny ila atiny lehibe ary ny voany mbamin’ny jabora mandrakotra azy ka nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaraka izany nalainy avokoa ny sabora, ny saron-tsinainy, ny saron’atiny, ary ny voany roa mbamin’ny sabora momba azy ka nodorany hanetona teo ambony ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’i Mosesy avokoa ny jaboran-tsinain’ilay ombilahy sy ny ila-atiny ary ny voany mbamin’ny fonomboany; ka nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin'ny fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalainy ny jaboran-tsinainy rehetra sy ny ila atiny lehibe ary ny voany mbamin’ny jabora mandrakotra azy ka nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ireo.
malagasy
Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin'ny fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ireo.