Leviticus 8:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ento i Arona sy ireo zanany, ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana miaraka amin’ny vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Alao i Aarôna sy ny zanany miaraka aminy, ny fanamiana, ny diloilo fanosorana, ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ny ondralahy roa, ary ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.
Malagasy Bible 1865
Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.