Leviticus 8:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nosasany tamin’ny rano ny taovany sy ny tongony; ary nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ny tenan’ilay ondrilahy manontolo. Fanatitra dorana manontolo izany mba ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nosasany tamin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia nataon’i Môizy indray mandotra hanetona ny ondralahy manontolo; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nodorany hanetona koa ny tsinainy sy ny tongony rehefa avy nosasany. Indray nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy: sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO, araka izay efa nandidiany an’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin'ny rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nosasany tamin’ny rano ny taovany sy ny tongony; ary nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ny tenan’ilay ondrilahy manontolo. Fanatitra dorana manontolo izany mba ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
malagasy