Leviticus 8:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nakany mofo iray tsy misy masirasira sy mofo iray voaisy diloilo ary mofo manify iray ilay harona nisy ireo mofo tsy misy masirasira izay teo anatrehan’NY TOMPO ka napetrany teo ambonin’ny jaborany sy ny feny havanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sobika nisy ny mofo tsy misy lalivay izay napetraka teo anatrehan’i Iaveh, nangalany mofomamy tsy misy lalivay iray, mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray, napetrany teo ambonin’ny sabora sy ny fe havanana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay harona nasiany mofo tsy misy leviora, harona izay napetraka teo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO, dia nangalan’i Mosesy mofomamy anankiray tsy misy leviora, sy mofomamy anankiray voaisy menaka, ary mofo manify anankiray; ka nataony teo ambonin’ny tavin-kenan’ilay ondrilahy mbamin’ny feny ankavanana ireo mofo ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nangalany iray tamin'ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin'ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin'ny mofo manify ka napetrany teo ambonin'ny saborany sy ny sorok'ondry ankavanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nakany mofo iray tsy misy masirasira sy mofo iray voaisy diloilo ary mofo manify iray ilay harona nisy ireo mofo tsy misy masirasira izay teo anatrehan’NY TOMPO ka napetrany teo ambonin’ny jaborany sy ny feny havanana.
malagasy