Leviticus 8:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia napetrany teo amin’ny tanan’i Arona sy ireo zanany ireo rehetra ireo ka nataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nataony teo an-tanan’i Aarôna sy ny zanany ireo zavatra ireo, dia nahevahevany ho fanatitra teo anatrehan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia napetrak’i Mosesy teo an-tanan’i Aharôna sy ny zanany ireo rehetra ireo ary nasainy hatolony amin’ny TOMPO ka hahevaheva eo anatrehany no fomba fanolotra azy.
Malagasy Bible 1865
Dia napetrany teo amin'ny tànan'i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia napetrany teo amin’ny tanan’i Arona sy ireo zanany ireo rehetra ireo ka nataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy
Dia napetrany teo amin'ny tànan'i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.