Leviticus 8:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nalain’i Mosesy tamin’ny tanany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara niaraka tamin’ny fanatitra dorana manontolo; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nesorin’i Môizy avy teo an-tanany indray ireo ka nodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely teo ambonin’ny sorona dorana, fa sorona fanokanana izany, ho hanitra ankasitrahina, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’i Mosesy avy teo an-tanany indray ireo zavatra ireo ka nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara niaraka tamin’ny sorona dorana manontolo: sorona fanokanana ho mpisorona izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia nalain'i Mosesy tamin'ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara niaraka tamin'ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nalain’i Mosesy tamin’ny tanany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara niaraka tamin’ny fanatitra dorana manontolo; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
malagasy