Leviticus 8:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ireo zanany: Ahandroy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny hena; eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao amin’ny haron’ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: I Arona sy ireo zanany no hihinana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy ny zanany: «Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ny hena, fa eo no hihinananareo azy, miaraka amin’ny mofo ao anaty sobika fanokanana, araka ny nandidiako hoe: i Aarôna sy ny zanany no hihinana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna sy ny zanany: –Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny henan’ilay ondrilahy faharoa; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao anatin’ny harona misy ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay eo amin'ny haron'ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ireo zanany: Ahandroy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny hena; eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao amin’ny haron’ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: I Arona sy ireo zanany no hihinana azy.
malagasy