Leviticus 8:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitoetra eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hafitoana andro aman’alina ianareo ka hitandrina izay asain’NY TOMPO hotandremana dia tsy ho faty ianareo: Izany no nandidiana ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hijanona hafitoana andro aman’alina, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ianareo, ka hitandrina ny didin’i Iaveh mba tsy ho faty ianareo, fa izany no didy azoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hitoetra fito andro aman’alina eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ianareo. Avy eo dia hanao ny fanompoana ny Tompo ianareo kanefa tsy ho faty. Izany no didy nomen’ny TOMPO ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary hitoetra eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman'alina ianareo ka hitandrina izay asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitoetra eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hafitoana andro aman’alina ianareo ka hitandrina izay asain’NY TOMPO hotandremana dia tsy ho faty ianareo: Izany no nandidiana ahy.
malagasy
Ary hitoetra eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman'alina ianareo ka hitandrina izay asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.Dia nataon'i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah ka nampilazainy an'i Mosesy.