Leviticus 8:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy eo dia nampiakanjoiny ny akanjo lava i Arona ka nasiany fehikibo sy nampanaoviny ny akanjo ivelany; dia nataony taminy ny efoda ary nasiany ny fehikibo momba ny efoda izy ka namehezany ny efoda taminy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Aarôna nampiakanjoiny ny akanjo anatiny, noetràny ny fehikibo, nampiakanjoiny ny akanjo lava, nosalorany ny efôda izay nogiaziny tamin’ny fehin’efôda, ary nafatony teo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampiakanjoiny an’i Aharôna ny akanjo lava anatiny sady noetràny fehikibo; avy eo nampiakanjoiny azy ny akanjo lava ivelany ary ny efôda no nataony teo amboniny, efôda izay nogiaziny tamin’ny fatorany ka natafiny azy.
Malagasy Bible 1865
Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin'ny efoda taminy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy eo dia nampiakanjoiny ny akanjo lava i Arona ka nasiany fehikibo sy nampanaoviny ny akanjo ivelany; dia nataony taminy ny efoda* ary nasiany ny fehikibo momba ny efoda izy ka namehezany ny efoda taminy izany.
malagasy
Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin'ny efoda taminy izany.