Leviticus 9:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namono ny fanatitra dorana manontolo i Arona ary natolotry ny zanany azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novonoiny koa ny sorona dorana ka nony natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, dia naidiny manodidina ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novonoin’i Aharôna koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka rehefa natolotr’ireo zanany azy ny ra, dia nafafiny tamin’ny lafin’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namono ny fanatitra dorana manontolo i Arona ary natolotry ny zanany azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara.
malagasy
Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.